Notafihin’ny jiolahy misaron-tava ny tokantrano iray etsy amin’ny fokontany Lalamby, Antohomadinika, ny alin’ ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny 9 ora. Maty voatsindron’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 41 taona, tompon-trano.
Nitondra antsy iray sy basy kilalao nahitana vovoka sakay ilay olon-dratsy tamin’ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny. Efa niomana ny hatory ny olon-drehetra no nisy nandondona ny varavaran’ny lakozia iray tao anatiny, raha ny fanazavan’ny anabavin’ny maty. Nitsangana namoha varavarana ny renim-pianakaviana izay vadin’ny maty satria heveriny fa olona ao an-trano ihany. « Lehilahy iray nisaron-tava sady nitondra antsy teny an-tanany no hitany vantany vao nisokatra ny varavarana », hoy ihany ny fanazavana. Nambanan’ilay olon-dratsy tamin’ ny antsy ilay renim-pianakaviana sady notakiny ny vola rehetra tao an-trano. Nahavita niaro tena ity farany ka teo amin’ny tanany havanana no voatrobaky ny antsy.
Efa nitsotsotra teo am-pandriana ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy talohan’ io tranga io. Nitsangana izy avy eo sady nanome baiko ny vadiny ny hanomezana ny vola tao an-trano. Nomena ilay olon-dratsy ny poketra nisy ny vola natokana hampiasaina ao an-trano. Noraisin’ ilay jiolahy tamin’ny vozon’ akanjony anefa ilay raim-pianakaviana taorian’izay sady nentiny nivoaka tany amin’ny varavarana mivoaka ivelany. Nitambotsotra niverina tao an-tokotany anefa ilay olon-dratsy vantany vao nahita ireo olona efa niandry tao ivelany. Raikitra ny fifanjevoana teo aminy sy ilay raim-pianakaviana rehefa tonga teo afovoan-tokotany. Voatsindrona teo amin’ny tendany havanana izy ka very ra be, izay tombanana ho nitarika tamin’ny fahafatesany. Mpaka sary sy horonan-tsary ity nisy namono ity. Lasa nitsoaka nitsambikina teo amin’ny fefy avy anaty tamboho ilay jiolahy taorian’izay.
Tsy tana ny ainy
Feo nidoboka sy nitabataba no nanaitra ny fianakaviana rehetra tao an-trano. Nivoaka ny rehatra tao amin’ ilay tanàna ka ilay rangahy nitsirara teo amin’ny tany sady efa nihoson-dra no hitan’izy ireo. Noho ny fikoropahana, latsaka teo an-tokotany ny poketra nisy ny vola nalain’ilay mpangalatra. Tsy nisy zavatra hafa lasan’ilay jiolahy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Taorian’ny tranga, nentina haingana nihazo ny hopitaly iray tetsy Ankadifotsy ilay raim-pianakaviana, saingy tsy tana intsony ny ainy. Tonga teny an-toerana, 10 minitra, taorian’ny trangan’ny fanafihana ny polisy avy ao Antaniavo. Nampandre azy ireo ny mponina teny amin’ny manodidina. Taorian’ny fahatongavan’ny polisy avy amin’ny Brigade criminelle, omaly maraina, nentina nozahana eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Efa nametraka fitoriana rahateo ny fianakavian’ ny maty. Namela vady sy kamboty vao roa taona ity namoy ny ainy ity.
Mino




