Ampasika : Tovolahy voasoloky, very ny bisikileta

Very hevitra saika hanaotao foana ny tovolahy iray voasolokin’ny olon-dratsy teny Ampasika, afakomaly. No­rebireben’ny mpisoloky tamin’ny vato sandoka, nanome ny bisikileta vaovao teny aminy ity lehilahy ity. Niezaka nanangona vola izy sy ny zokiny mba hahazoana io bisikileta io, araka ny loharanom-baovao. Nahafeno vola mitetina 400 000 Ar, niroso tamin’ny fividianana ny bisikileta izy ireo. Tokana ho azy ireo ny tanjona taorian’io. Hanao taxi-bisikileta ahafahana mahazo vola haingana sy hamerenana ny vidin’ny biskileta vao novidiana. Andro voalohany niasany, nifanojo tamin’ny mpisoloky ilay tovolahy. Norebireben’ny tsy mataho-tody tamin’ny vato sarobidy sandoka izy. Nandray ireo vatokely miisa telo miloko mena roa sy manga iray ity lehilahy niharan’ny fisandohana ity. Ho takalony anefa, lasan’ilay mpisoloky ny bisikileta vaovao. Very fanantenana ilay lehilahy taorian’ny nahafantarany fa vato sandoka ireo azony ireo. Efa nandositra ary tsy hita intsony ny mpisoloky nahavanon-doza. Nikasa hamoy fo ity farany kanjo hitan’ny mpitandro filaminana. Niditra an-tsehatra nanavotra azy ireto farany. Karohina ny mpisoloky nitondra ny bisikileta nandositra sy nanome ireo vato sandoka.

Tsiferana R.

Partager sur: