Namono an’i Stéphanie sy Haingotiana: maty voatifitra izy efa-dahy tompon’antoka

Maty voatifitry ny polisy ireo tovolahy miisa efatra, tompon’antoka tamin’ny famonoana roa vavy hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady 23 aogositra teo. Nanohitra ny mpitandro filaminana izy ireo ka antony nitifirana azy. Mbola hita avokoa ny porofo rehetra sy ny fitaovana nanaovan’izy ireo ny asa ratsy.

Maty voatifitry ny polisy ireo tovolahy miisa efatra voampanga ta­min’ny famonoana sy fanolanana faobe an’i Haingotiana sy Stéphanie, tovovavy nonina teny Manjakaray, izay
hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady 23 aogositra 2026 teo. Nentina teny amin’
ny toerana nahitana ny fatin’i Stéphanie sy Haingotiana izy ireo, afakomaly sabotsy 29 aogositra 2026, mba hamerenana ny fitrangan’ny asa ratsy nataony. Teny an-dalana, na­nohitra ny mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo, raha ny fanambarana nataon’ny talen’ny seraseran’ny polisim-pirenena, tamin’ny tambajotra sosialy, afakomaly. Naka an-keriny ny basy teny amin’ny mpitandro filaminana izy io. Nahita izany ny telo mirahalahy ambiny ka nanararaotra nanohitra sy nandositra. Noho izany, tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro filaminana ka nitifitra ireo olon-dratsy. Vokany, tsy tana ny ain’izy efa-dahy noho ny ratra sy ny tifitra na dia teo aza ny fanavotana ny ain’izy ireo.
Nampijaliana sy naolana vao novonoina
Halatra niaro fanolanana sy famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana efa nomanina no nataon’izy efa-dahy. Efa nisy ny fitaovana nomanina nanaovana ny asa ratsy. Nampijaliana tamin’ny alalan’ny fitaovana toy ny Coups de poing américain sy tournevis izy roa vavy lasibatra. Naolana ary avy eo notapahina tamin’ny antsy ny tendany. Ankoatra izay, fantatra fa ny fangalarana ny finday sy ny vola tany amin’ireo tovovavy lasibatra no niantombohan’ny asa ratsin’izy efa-dahy. Ary izao niafara tamin’ny fanolanana sy vono olona maha­tsiravina izao. Voasambotra ny talata 25 aogositra 2026 teo ireo efa-dahy tompon’antoka ireo. Izay nahitana an’i Sitraka, Aldo, Larry ary Ntsoa. Voasambotra voalohany i Sitraka izay nitondra ny fiara nitondrana azy mirahavavy. Mbola nahitana piti-dra sy nisy akanjo sy kiraro maromaro mbola nahitana ra ihany koa tao anaty fiara. Voatahiry tao anatin’ny findainy ny horonantsary mahakasika ny vono olona. Voasambotry ny polisy, nanaraka azy, i Aldo sy Larry. Voasambotry ny zandary ny faran’ny herinandro teo i Ntsoa. Samy niaiky ny heloka vitany avokoa izy rehetra ireo.

Mino

Partager sur: