Naneho fiaraha-miory sy fiombonam-po feno ho an’ny fianakavian’ny mpanjaka sy ny governemanta ary ny vahoaka norvezianina ny fitondrana Fanavaozana sy ny vahoaka malagasy noho ny fodiamandrin’ny mpanjaka Harald V. Tamin’ny alalan’ny filohan’ ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovany izany . Fantatra tamin’ny fanehoany hatrany ny fahendrena sy ny firaisankina ananan’ny mpanjaka.
Mangataka ny hanafaiganana ny fikaonandoham-pirenena afaka roa volana ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR), tarihin-dRabetsitonta Tovonanahary. Nihaona tamin’ny mponin’ny boriborintany II sy III, teny Tsiadana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Arakaraka ny hanaovana azy haingana no hisian’ ny fitoniana. Ny fitondram-panjakana no tokony hanatanteraka azy ary miantoka ny ara-moraly ny FFKM.




