Fanatsarana ny lalana. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andrimadison Haingotiana, tamin’ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, tao Antanimasaka, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo kaominina 19, ao amin’ny distrikan’ Ambatolampy. Samy nilaza ny hetahetany avy ireo ben’ ny Tanàna, saingy niraisan’ny rehetra ny fangatahany ny
lalana.”Manome toky aho fa hanao tatitra sy hamaly momba ireo lafin-javatra navoitran’ny ben’ny Tanàna amin’ny tomponandraikitra tandrify”, hoy ny minisitra. Ankilany, nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 118 afa-panadinana CEPE sy BEPC ny minisitra. Eo koa ny vary 30 taonina, vatsy ho an’ireo raiamandreny zokiolona, hanatanterahana asa tanamaro any amin’ny kaominina Antanimasaka Ambatolampy izay ho tonga amin’ny herinandro. Nandrisika ireo mpianatra hilofo hatrany amin’ny fianarana ity tomponandraiki-panjakana ity. Ankoatra izay, nidina nisafo ireo toeram-pivarotana tao amin’ny tsenan’Antanimasaka ihany koa ny minisitra. Nanome toromarika ireo mpivarotra hitandro ny fahadiovan’ireo entana amidy ny tenany. Nasongadiny manokana ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fikarakarana sakafo. Nentanina koa izy ireo hitondra ny fitaovam-pandanjana ho tsaraina.
Henintsoa




