Navadiky ny lakana: mpandeha miisa efatra niara-maty an-drano

Namoy ny ainy tamin’ny lozam-pitaterana an-dranomamy ny olona efatra, tamin’ny faran’ny herinandro, tany Alaotra. Zaza telo taona ny iray.

Hita omaly ny vehivavy iray anisan’ireo olona efatra namoy ny ainy taorian’ny fivadihan’ny lakana iray tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Na­moi­zaina ain’olona miisa efatra io loza niseho ny sabotsy 29 aogositra teo, tamin’ny 1 ora sy 45 minitra, io. Ani­san’ny lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy. Niainga avy any Anororo ny lakana nitondra mpandeha. Nikasa hihazo an’Amparihipony, anatin’ny kaominina Ambohidava,ireo olona nitaingina io fitaovam-pitaterana io. Niseho tampoka ny loza. «Nanonja be ny rano vokatry ny rivotra ary tafiditry ny rano ny lakana», hoy ny fanavazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Imerimandroso. Nivadika ny lakana. «Samy nikoropaka nanavotra ny tenany ny mpandeha», hoy ny zandary. Olona miisa dimy avotra soaman­tsara minitra vitsy taorian’io tranga io. Iray hafa maty. Ni­tohy ny alahady 30 aogositra ny fikarohana ka tafakatra an-tanety ny nofo mangatsiakan’ ilay raim-pianakaviana sy ve­hivavy iray hafa. «Hita omaly kosa ilay vehivavy fahefatra», hoy ny fanampim-panaza­vana.

Zaza telo taona

Zazavavy telo taona monja ny iray tamin’ireo efatra mianadahy namoy ny ainy nandritra io loza io. Niaraka tamin’ny rainy izy kanjo tra-doza tampoka. Mponina avy ao Ampa­rihimpony avokoa izy efatra mianadahy mianaka namoy ny ainy. Notontosaina omaly ny fandevenana azy ireo. Nanoloana ity voina namoi­zana ain’olona ity, nitondra ny teny fampaherezana ho an’ny fianakavian’ireo lasibatra ny solontenan’ny fitondram-panjakana eo anivon’ny Fiadi­diana ny Faritra Alaotra Man­goro. Nanolotra vary sy vola mba hanamaivana ny fahasahiranan’ny fianakaviana nandritra ny fahoriana izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: