Toamasina: roa lahy hita faty

Raim-pianakaviana roa samy hafa nisy nanatitra tao amin’­ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Nisy nahita tao Ambalakisoa, ny tolakandron’ny alahady 30 aogositra lasa teo, ny lehilahy iray. Nahina mafy ny aina ka nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny vonjy taitra ao amin’ny Hopitaly Be izy. Nitsabo azy ny tomponandraikitra saingy tsy tana ny ainy ny marainan’ny alatsinainy. Tsy fantatra mazava ny nahazo azy. Ankoatr’io, olona iray hafa nitsirara teo amin’ny lavarangan’ny trano iray tao Bazary Be, omaly maraina. Mpatory an-dalana ity lehilahy faharoa hita faty ity, araka ny angom-baovao natao teny an-toerana. Ahina ho tsy fahampian-tsakafo no nitarika ny fahafatesan’izy roa lahy ireo. Naterina ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ireo olona roa namoy ny ainy. Tsy nisy taratasy nahafahana namantatra azy ireo teny amin’ireto farany.

Sajo

Partager sur: