Tranombarotra Cosmos: mpanjifa 66 nahazo loka tamin’ny Tombola

Natao ny sabotsy 29 aogositra teo ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa tsara vintana nandray anjara tamin’ny Tombola nokarakarain’ny tranombarotra Cosmos. Nanom­boka tamin’ny 8 jona hatra­min’ny 19 jolay ny fandraisana anjara ho an’izay nividy entana tao amin’ny tranombarotra Cosmos miisa 22 manerana ny Nosy, ka eto Antananarivo ny 9 ary any amin’ny faritra
ny 13. Nifanandrify tamin’ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena ity tombola ity, ka nitotaly 66 tapitrisa Ar ny tetibidin’ny loka ho an’ny olona 66. Nahazo taratasim-bola 25 tapitrisa Ar ny voalohany. Hisy tombola hafa indray hokarakaraina.

Hamoraina
Efa tafiditra ao anatin’ny kolontsaina fanjifana ny Tra­nombarotra Cosmos. Ani­san’ ny mampiavaka azy ny fa­nam­piana ny mpanjifa. Mai­maimpoana ny fitaterana sy ny fametrahana na ny fampandehanana ny kojakoja any an-tranon’ny mpanjifa manerana ny toerana ahitana ny Cosmos. Hamoraina, azo aloa tsikelikely ihany koa, ny vidin’ ny entana hatramin’ny 30 volana, amin’ny alalan’ny Crédit Mirindra.
Misy ny tambajotra facebook, site web, hijerena ny karazan’entana, hahalalana ny vaovao samihafa ilaina. Tsy voatery manatona ny tranombarotra intsony fa azo vidiana avy hatrany amin’ny alalan’ny tambajotra anaty finday na ordinatera izany. Maro ny entana azo jifaina, toy
ny kojakoja ao an-trano, an-dakozia, fanaka, moto, quad, motera sambokely, fitaovam-pamokarana, fitaovana ma­mokatra herinaratra, sns.

Njaka A.

Partager sur: