Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana Rahajatiana Fenohasina, 29 taona sy Randriamahaleo Sitrakiniana, 27 taona, afakomaly alina. Hita faty tao Ambatobe, kaominina Betatao, distrikan’Anjozorobe izy ireo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Nahita ny razana ny olona mpandalo, nampandre ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Nampandre ny zandary indray ny ben’ny Tanàna, taorian’izay. Nisy ny fidinana teny ifotony. Razana miisa roa, efa tsy nisy aina intsony, no hita, hoy ny mpitandro filaminana. Nilaza ny tomponandraikitra tao amin’ny tobim-pahasalamana CBS2, nizaha ny razanan fa ny alin’ny alatsinainy nifoha talata, tokony ho tamin’ny 3 ora no novonoina izy ireo. Mangana noho ny daroka sy feno ratra nokapaina tamin’ny zava-maranitra ny razana.
Taorian’ny fizahana sy ny fanadihadian savaranonando, nentina namonjy ny birao ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Nisy ny fihainoana ny fianakaviana, mialoha ny nanolorana azy ireo ny razana. Nisy ny fanamarinana ny taratasy mahakasika ireto lasibatry ny vono olona. Efa mandeha ny famotorana. Efa any ambohitra, amin’ny tanàna misy azy avokoa ny razana, omaly alina.
Mandray an-tanana ny famotorana ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Betatao.
r.r




