Famadihana nivadika ho fisaonana: tovovavy roa niara-maty, voatifitry ny zandary tsy nahy

Maty voatifitry ny zandary tsy nahy nandritra ny famadihana ny tovovavy roa, ny alatsinainy alina lasa teo. Nisy olana ny basim-borona napoaka hanomezam-boninahitra ny razana ka nitera-doza tao Ambalavato Vohitromby.

Tratry ny tampoka sy tsy nahy! Nivadika ho loza ny poa-basy saika hanamarihana lanonam-pamadi­hana iray tao Ambalavato, fokontany Vohitromby, kaominina ambanivohitra Tsiton­droina, ao amin’ny distrikan’­ Ikala­mavony. Ny alin’ny ala­tsinainy, tokony ho tamin’ny
8 ora no nisehoan’izany. Ni­karakara famadihan-drazana ny fianakaviana iray. Araka
ny fomba amam-panao any amin’io faritra io, manapoaka basim-borona ny tompom-pety rehefa tonga eny amin’ny fasana. Nandray an-tanana ny fanapoahana ilay fitaovam-piadiana ny zandary iray niala sasatra tany an-toerana. Zanaky ny anabavin’ny tompom-pety rahateo.
Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nisy olana tampoka ny fitaovana noka­saina hanaovana tifi-danitra. Na­ndritra ny fikarakarana izany, nipoaka tsy nahy ilay basy. Vokany, nahavoa olona miisa roa ny bala izay nipari­taka. Maty ny tovovavy 22 sy 13 taona, samy fianakaviany ihany. Voan’ny bala teo amin’ ny lohany sy ny kibony izy ireo.
Nalefa any amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Tsi­ton­droina ilay zandary nahavanon-doza tsy nahy taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarakarana ny razana.
Naiditra am-ponja

Tsiahivina fa ankoatra ity tranga iray tany Ambalavato ity, nisy zandary iray koa na­hatifitra olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Be­kobay, distrikan’i Mahajan­ga II, ny alin’ny 5 jona 2026. Lehi­lahy iray 18 taona no maty tsy tra-drano vokatr’izany ary lehilahy roa naratra. Nampi­tan­drina hanao tifi-danitra izy mba hampilamina ireo olona saingy nahavoatifitra olona miisa telo. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ilay zandary, rehefa avy natolotra ny fampanoavana.

Mino

Partager sur: