Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy iray nampihatra herisetra tamin’ny zazavavy 9 taona, tao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Nirahin’ny ray aman-dreniny ity zazavavy 9 taona ity. Nitondra vola 2 000 Ar sy harona. Nifanena tamin’ny lehilahy iray mpiambina tanàna, voarebireby ilay zazavavy. Nentin’io mpiambina io niditra ny tanàna nifefy tamboho izy, nazera tamin’ny tany ary nokasain’ilay tsy valahara hanaovana ny filan-dratsiny. Nanohitra anefa ilay zaza. Vokany, nokaikerin’ilay mpiambina ny takolany ka nivoa-dra. Mangana ny faritry ny sandriny roa sy ny kibony. Niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina sady nandositra ny lasibatra. Tonga soa aman-tsara teo anivon’ny ray aman-dreniny, nitantara ny zava-nitranga rehetra ilay zaza. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ary niroso tamin’ny fitorohana ny nahavanon-doza teny amin’ny manam-pahefana ny fianakaviany. Voasambotra fotoana fohy taorian’ny tranga ilay lehilahy nahavanon-doza, ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Tsiferana R.




