Natao ny alatsinainy 31 aogositra teo, teto Antananarivo, ny fakana ny hevitr’ireo tanora hisehatra amin’ny famokarana sy ny fambolena. Nikarakara azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Lohahevitra noraisina ny hoe: «Tanora tsara fiomananaamin’ny fandraharahana ara-pambolena». Nambaran’ny minisitra, Ramindo Gaëtan, fa «mametraka ny tanora hiditra amin’ny famokarana sy ny fambolena ity fotoana ity. Manana ny herin-tsaina sy ny tanjaka ny tanora. Nohenoina koa ny hetahetan’izy ireo, ny olany, mba hijerena ny vahaolana».
Nisy koa ny fijoroana vavolombelona ho fizarana traikefa sy torohay nataon’ireo tanora efa misehatra amin’ny famokarana. Satria, fototry ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenena izany. Nampahafantarin’ny minisitera MiASA ireo toeram-piofanana sy tetikasa ary tohana ara-bola samihafa. Nilaza ny tanora mpandray anjara fa solontena ihany izy ireo, hizara izany manerana ny Nosy avy eo.
Njaka A.




