Tsy handroso i Madagasikara raha tsy homena fahefana hitantana ny fiarahamonina misy azy sy ny harena ao aminy ny fokonolona eny ifotony. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Fandrosoa faritsy iaby ho an’i Madagasikara (Fy M), Raderanirina Sandrison Daniela, izay efa kandidà ho filohan’ny Repoblika tamin’ny 2023. Ny olona miaina ny fiainana andavanandro no mahalala izay tokony hatao.
Niantso ny mpiasam-panjakana tsy hanao tandrevaka ny asa ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, ny kolonely Andriamiarisoa Gervais, nitafa mivantana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny tany Antsiranana, Faritra Diana, afakomaly. Tokony hohajaina ireo lalàna amam-pitsipika mifehy ny asam-panjakana, indrindra ny ora fiasana. Eo koa ny fikirakirana sy fanomezana ara-potoana izay taratasy ilain’ny vahoaka, hisorohana ny kolikoly.
Nihaona tamin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra, afakomaly, ny iraky ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonia (OIF), notarihin’ny manampahaizana manokana momba ny fifanarahana sy fanelanelanana iraisam-pirenena ary ny fampihavanana, i Thierno Ba Demba Diallo. Voaresaka ny amin’ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fanavaozana na fanorenana ifotony. Eo koa ny fanohanan’ny OIF ny dingana ho amin’izany.




