Niharan-doza tetsy amin’ny lalam-baovao mihazo an’ Ivato, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, ny mpitondra moto iray. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ity lehilahy tra-doza ity. Tsy voaviliny ny familiana ka nianjera sy nitrosona tamin’ny tany izy. Naratra mafy noho ny dona nahazo azy izy ary novonjena haingana tany amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy na teo aza izany. Ny fandehanana mafy no antony nahatonga ny loza ka niafara tamin’izao fahafatesana izao, raha ny angom-baovao voaray. Taorian’ny fizahana ny razana, andrasana eny amin’ny trano fonenany, etsy Ankazomanga, ny vatana mangatsiakany. Ankoatra izay, fiara mpitatitra iray hafa no nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany iny, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Niseho teo Antanetibe Avaradrano, fokontany Ambatofolaka, kaominina Alatsinainikely, distrikan’i Miarinarivo, ny loza. Avy any Ambositra, hihazo an’i Tsiroanomandidy ilay fiara. Nahatsiaro reraka ny mpamily ary nangataka tamin’ireo mpandeha mba haka fotoana kely hialana sasatra. Tsy nanaiky ireo mpandeha satria maika. Nanomboka tratran’ny torimaso ilay mpamily ary resin-tory mihitsy taorian’izay. Nivadika ny fiara nentiny ka olona dimy tao anaty fiara no naratra. Etsy ankilany, mpitondra moto iray koa nahafaoka ankizy tany Tanandava Toamasina, omaly atoandro. Niampita arabe io ankizy io no nipoitra tampoka ny moto izay nandeha mafy. Tsy tafajanona ny roa tonta ka nifandona. Samy naratra izy roa ireo ary efa nentina nihazo ny hopitaly.
Mino




