Tonga hatraty an-dRenivohitra ny mpivarotra voamaso. Tra-tehaky ny polisy teny 67 Ha Atsimo ny roa lahy, afakomaly. Voamarina fa voamason-jaza varira izany.
Sarona teny amin’ny lehilahy miisa roa, tetsy 67 Ha Atsimo, afakomaly, ny voamaso miisa roa. Nalaina avy amin’ny zaza varira izany, araka ny angom-baovao voarain’ny polisim-pirenena. Avy amin’ny faritra ivelan’Antananarivo ireto olon-dratsy ireto. Nivahiny tamin’ny trano fandraisam-bahiny iray izy roa lahy. Niparitaka tamin’ ny manodidina ny feo momba ny fisian’ny “entana”. Izy roa lahy rahateo nikaroka fatratra mpividy maika. Nahoraka sy niely vetivety ny vaovao.
Namolavola paikady nisamborana azy ireo ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny kaomisaria boriborintany fahafito. Sarona tao amin’
ny hotely nipetrahany ireo voalaza ho mivarotra voamaso. «Avy any Atsimo ireto voasambotra», hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena.
Nihazona antsy lavalela avy izy roa lahy ankoatra ny voamason’olona. Nentina natao famotorana eny amin’ny biraon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava Anosy ireo voasambotra. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Tsiahivina, matetika lasibatry ny fakana an-keriny sy ny vono olona ireo olona manana toe-tena varira any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Manao ny ezaka rehetra hamongorana ny mpanao ratsy ny mpitandro filaminana.
Asiana saribao voatoto
Notahirizina sy nofonosina tao anaty harona plastika mainty ny mason’ny varira iray izay lasibatry ny asan-dahalo, raha ny tranga fantatra nandritra ny fisamborana ireo 15 lahy namono sy nivarotra masona varira tany amin’ny distrikan’i Betroka, tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra teo. Araka ny fanazavana nataon’ireo olon-dratsy tamin’ny mpitandro filaminana, nasiana saribao voatoto anaty kapoaka ary afenina ao anatin’izany ilay masona varira mba tsy ho simba. Tsy nahazoana fanampim-baovao kosa ny fomba nitahirizan’ireo roa lahy voasambotra nihazona voamasona varira tetsy 67 Ha izany.
Tsiferana R.




