Tompondakan’i Afrika – « FifaE 2026 »: samy notolorana 1 tapitrisa Ar ireo tompondaka

Notontosaina tetsy amin’ny foibe Yas Andraharo, omaly, ny fankalazana ny maha tompondakan’i Afrika an’i Ma­dagasikara nandritra ny fifanintsanana « jeux FifaE » 2026 natao tany Maroc, ny 27 – 29 aogositra lasa teo. Notoloran’ny Yas Madagascar vola 1 tapitrisa Ariary avy i JZ Rayan sy Roberto SK, Malagasy niaro ny voninahi-pirenena, taorian’io vokatra tsara io. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy roa lahy, mbola miandry azy ireo ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izay hatao any Arabia Saodita, ny volana oktobra ho avy izao. I Ma­da­gasikara sy Maroc no solontenan’i Afrika amin’izany. Nilaza izy ireo fa mitohy ny fanazaran-tena sy ny fanomanana, satria firenena efa manana traikefa sy fanta-daza amin’ity FifaE ity no hiatrika izany.
Nomarihin’izy ireo fa tanjona ny hahatonga ny anaran’i Madagasikara ho re eo amin’ny sehatry ny FifaE maneran-tany. Hiezaka ny haka an’io amboara maneran-tany io, hoentina mody eto an-tanindrazana, izy ireo. Ampaha­fantarina fa anisan’ireo masoivohon’ny Yas, nanomboka ny taona 2025, i JZ Rayan. Taorian’io, nanangana ny ekipan’ny Ferox, izay ahitana an’i JZ Rayan sy Roberto SK ny orinasa, niaraka tamin’ny Soka 42 sy ny Mass’in, izay ahitana an’izy roa lahy.

Fitia Randria

Partager sur: