Voasambotra ny lehilahy iray zanak’ilay ramatoa nitondra vola sandoka tao Vohiposa, kaominina Ambohimahasoa, ny alarobia 2 aogositra teo. Nahatrarana vola sandoka 20 000 Ar miisa 15 ity renim-pianakaviana ity. Tafaporitsaka nandritra ny fisamborana ny zanak’ity farany. Voasambotra ilay lehilahy taorian’ny fikarohana.
Saron’ny zandary ny rongony 600 kg notaterin’ny lehilahy miisa 40 tao amin’ny fokontany Ambario, kaominina Antsahabe, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nandositra ireo mpitatitra rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Sofia. Tavela ny entana rehetra.
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ny lehilahy iray nahatrarana fonosana rongony teny amin’ny fokontany Ankazotoho, kaominina Anosizato. Nogiazana ny rongony rehetra.
Hitory ny mpamilin’ny fiara nandona ka nitarika tamin’ny famoizana ny ain’ilay raim-pianakaviana mpitondra taxi-moto ny fianakaviany. Naratra mafy ka very ra be loatra, namoy ny ainy ity mpanao taxi-moto tra-doza teny Nanisana ity, ny alarobia lasa teo.




