Nanapoaka basy, naorin’ny dahalo ny omby 70 tao amin’ ny tanàna Ampasimpotsy Ambatolahihazo, kaominina Maroharona, distrika Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy 3 septambra. Nirongo fitaovam-piadiana ny dahalo manodidina ny 40 lahy. Raiki-tahotra ny ankamaroan’ny zaza amam-behivavy tao an-tanàna. Nanara-dia nanampy ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy. Nanao paikady manokana hanakanana ireo dahalo ny Tafika sy ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana rehefa nifanehatra tamin’ny mpangalatr’omby ireto farany. Lavon’ny bala nandritra ny fifampitifirana ny telo tamin’ireo dahalo. Nandositra ny namany ary tavela ny omby rehetra nangalarin’izy ireo. Natolotra ny tompony avokoa ny omby 70 isa nokasain’ny dahalo hoentina nandositra. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana miasa ao
an-toerana. Tsiahivina fa anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo, indrindra fa ny halatra omby, ny kaominina sasantsasany anatin’ity distrika voakasika ity.
Tsiferana R.




