Nandositra ny fonjan’Ambalatavoahangy, Toamasina, omaly, ny gadra telo. Natao ny fanenjehan’ny mpitandro filaminana sy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny fonja. Azo sambo-belona ny iray ary maty voatifitra ny iray. Mbola karohina ny fanintelony.
Maty voatifitra ny iray raha toa ka azo sambo-belona ny iray hafa tamin’ireo gadra telo nandositra tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, Toamasina, omaly. Miisa telo ireo gadra tafaporitsaka, izay anisan’ny mamita sazy anatin’ity fonja ity. Manatanteraka asa eo
anivon’ny fonja voakasika ny orinasa iray. Nampiasa tohatra ny mpiasa manao ilay asa. Nanita-kevitra izy telo lahy izay manefa sazy anatin’ny fonja ka nampiasain’izy ireo ny tohatra. Nanao mora ny fomba nivoahany tao am-ponja izany. Nifanenjehan’ny mpiandry fonja tamin’ny tanàna ivelan’ny fonja ireo olon-dratsy tokony hisazy.
Nanao tari-dositra, nikasa tsy hanaraka ny baiko nomen’ny mpiandry fonja azy mba tsy handosirany ny roa lahy. Voan’ny bala teo amin’ ny fitombenany ny iray ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Tetsy ankilany, natahotra mafy ny ainy, nanaiky nosamborina ary naverina am-ponja ny lehilahy iray hafa. Tsy hita popoka kosa ilay fahatelo, araka ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fitsarana.
Karohina io gadra fahatelo io, amin’izao fotoana.
Karohina fatratra
Namoaka fampilazana fikarohana an’ity farany ny eo anivon’ny fonja taorian’izay. Antsoina hoe Eric Joel, nonina tao Toamasina ity gadra nandositra mbola karohina ity. Voarohirohy sy voaheloka tamin’ny raharaha heloka bevava izy ka antony nampigadra azy. Voalaza fa efa nandositra ny fonja izy tamin’ ny 14 oktobra 2022 ary tamin’ny alalan’ny fandavahana rindrina no fomba nandosirany tamin’izany. Ankoatra izay, voarohirohy tamin’ny fanaovana halatra miharo fampiasana fitaovam-piadiana ihany koa izy teo aloha. Iangaviana, araka izany, ny olom-pirenena izay mahita azy io mba hampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Misy holatra eo amin’ny tanany havia, marika amin’ny vatany hamantarana azy. Hitohy tsy miato ny fikarohana an’ity gadra tafaporitsaka ity, raha ny tatitry ny tomponandraikitra misahana ny fandraharahana ny fonja ao Ambalatavoahangy Toamasina.
Tsiferana R. / Mino




