Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Campus Barikadimy, ny fandraisana ara-teknika ny dingana voalohany amin’ny asa fanarenana ny efitrano fianarana lehibe « Demi-Tonneau » rava tanteraka tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Nanohana ny asa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ary nanatanteraka izany ny orinasa Proma. Roa volana ny fe-potoana nanatanterahana ny dingana voalohany amin’ny asa. Tratra ny fe-potoana ary vita tsara izany fa mbola hitohy ny fanatsarana ny ao anatiny sy ny manodidina ny efitrano ary ireo fitaovana ampiasaina.
Vita ny fotodrafitrasa manakaiky vahoaka, tobim-pahasalamana fototra (CSB II) ao amin’ny kaominina ambanivohitra Jangany, distrikan’i Betroka, ao amin’ ny faritra Anôsy. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Mionjo, miantoka ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy ny sakafo ho an’ny vahoaka eny ifotony no nahatontosana izany.
Taorian’ny distrikan’i Toliara II, tao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana no nanohizana ny hetsika « Vonje Longo II ». Tanterahin’ny fitondrana, amin’ny alalan’ny BNGRC, ny hetsika. Mikendry ny hanampy ireo fianakaviana tratry ny tsy fahampian-tsakafo sy tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ireo zaza latsaky ny 5 taona. Kaominina telo ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo no efa nisitraka ny fanampiana: Ambatry, Ankazomanga Maroarivo ary Ankazomanga Andrefana. Tokantrano miisa 1 665 no nisitraka ny tohana ara-tsakafo, ka vary milanja 41 625 kg no nozaraina avy amin’ny fitondrana malagasy, miaraka amin’ny fanampiana avy amin’ny fanjakana Indianina.




