Olona iray votsotra teo an-tanan’ny mpaka an-keriny 3 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voatifitra

Votsotra teo am-pelantanan’ny olon-dratsy mpaka
an-keriny, tany Antsahakely, kaominina ambanivohitra Soa­vina, distrikan’­Ambato­finan­drahana, faritra Amoron’i Mania, omaly maraina, ny olona iray. Avotra soaman­tsara nandritra ny fanaterana ny vola takalonaina io lasi­batra io. Ankoatra izay, maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fifanjevoana ny roa lahy, olon-dratsy anisan’ny nanao ny fakana an-keriny. Mbola nisy tamin’ireo jiolahy no tafaporitsaka. Etsy andaniny, lasan’­ ireo olon-dratsy tafatsoaka
ny vola mitentina 3 tapitrisa Ariary mahery izay natokana ho takalonaina.

Nitaky vola 30 tapitrisa Ariary
Raha tsiahivina, nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany an-toe­rana io olona io, ny alin’ny 3 septambra 2026. Nitaky vola 30 000 000 Ariary ho takalon’ ny famotsorana azy ta­min’ny fianakavian’ilay olona lasibatra ireo tsy mataho-tody,taorian’izay. Tapaka, taorian’ny fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta, fa 5 tapitrisa Ariary no omena ireo olon-dratsy. Raikitra àry fa omaly maraina ny fotoana hanomezana izany sy hamotsorana ilay olona nalaina an-keriny. Nanatona ny zandarimaria ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambato­marina ny fianakavian’ilay olona voasambotra ka nanambara ny antsipirihan’ny raha­raha sy nampahafantatra ny zavatra rehetra. Nandray fe­petra avy hatrany ny Zandari­maria ary natao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Napetraka ny paikady ary nanaraka ireo fianakaviana handeha hanatitra vola solom-pamotsorana ilay takalonaina ireo zandary, manao akanjo sivily. Nisy roa lahy nitondra ilay olona na­laina an-keriny, nidina avy any avaratr’­ Ambatomarina, rehefa tonga teny amin’ny toerana nifanarahana tamin’ny fianakavian’ny lasibatra. Nisy olon-dratsy hafa niandry teny an-toerana. Nosamborin’ireo olon-dratsy an-keriny ny vola teny am-pelantanan’ilay nitondra izany vantany vao tonga teny amin’ny toerana nifanara­hana. Nandositra avy hatrany izy ireo, taorian’izay. Lasan’izy ireo, nandritra izany, ny vola 3 500 000 Ariary. Raikitra ny fanenjehana ireo olon-dratsy nataon’ny Zandarimaria. Na­nampy tamin’ny fanenjehana ihany koa ny fokonolona ma­nodidina. Vokany, maty voatifitra ny roa tamin’ireo mpaka an-keriny. Tafapori­tsaka kosa ny sasany, niaraka tamin’ny vola. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Mino

Partager sur: