Mpanao cash point voatafika: lehilahy iray voatifitra, 18 tapitrisa voaroba

Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tetsy Ampefiloha Ambodirano, afakomaly, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, ny raim-pianakaviana iray, mpanao Cash point. Avy nanao ny asany mahazatra teny Andohatapenaka izy. Nanidy ny tsenany rehefa tamin’ny 6 ora sy 10 minitra hariva teo ho eo. Nandeha tongotra nihazo ny trano fonenany teny Ampefiloha Ambodirano taorian’izay.
Nisy jiolahy miisa telo, nanaraka azy avy aoriana. Vao tonga teo amin’ny sampanana hiditra an’Ampefiloha Ambodirano, nosintomin’ireto farany ny kitapo fitoeram-bola teny aminy. Nanohitra sy tsy nanome izy. Nanapoaka basy intelo ny olon-dratsy rehefa nanda ny tsy hanome ilay lasibatra. Nahavoa azy ny bala roa nataon’ireo jiolahy. Naratra mafy izy. Voaroban’ireo olon-dratsy hatrany ny vola mitentina 18 tapitrisa Ariary. Voaroba ny finday maromaro fampiasa amin’ny Cash point ataony.
Lasa nitsoaka ny olon-dratsy taorian’ny asa ratsy nataony. Tsy fantatra mazava ny toerana nandosiran’izy ireo. Nitangorona namonjy ilay raim-pianakaviana ny olona teny amin’ny manodidina taorian’izay. Noentina nihazo ny hopitaly ny naratra.

Mino

Partager sur: