Maro ny manan-talenta sy aingampanahy amin’ny tontolon’ny « design» eto Madagasikara. Ny fampivadiana ny hairaha maoderina amin’ny talenta sy aingampanahin’ny mpamorona no tena hasongadina.
«Re Dessin, Re Dessein ». Izay no lohahevitry ny andiany voalohany amin’ny hetsika « Malagasy Design Gaze 2026 », hotontosaina ny 19 septamba hatramin’ny 2 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana izay notontosaina tetsy amin’ny Orange Digital Center, Gara Soarano, omaly. Ity toerana manan-tantara ity mantsy no handray an’ ity hetsika hanomezan-danja ny famoronana eto Madagasikara ity. Fotoana hanehoana ny harena sy ny hamaroan’ny karazam-pamoronana akehitriny io, indrindra ireo mifototra amin’ny kisary sy ny hairaha ara-endrika amam-bika.
Izay fampiarahana ny talenta, ny fahaiza-manao nolovaina amin’ny forona ankehitriny sy ny vina ho avy izay indrindra no tiana hasongadina mandritra ny “Malagasy Design Gaze 2026”. Toerana mety amin’izay indrindra ny Orange Digital Center, izay ho lasa toerana ho an’ny fisokafana, ny fihaonana ary ny fifampizarana. Mila hita sy hasongadina ny talenta amin’ ny famoronana, ka sady tohana ho an’ny mpanakanto no fampahafantarana ho an’ireo mety ho mpankafy izany.
Handray anjara amin’ity andiany faharoa ity ry Andrée Mathilde Ethève, Vero Rasendratsirofo, Emma GL, Fanjar, Miangaly Elia, Stéphanie Razafindrabe Grannit’IX, Prisca Razafindrakoto, Georges Floret et les ateliers d’Analakely, Iandry Randriamandroso, Yassine Ben Abdallah ary Philippe Manet. Mpandrindra ny hetsika kosa Ihoby Lysiane Rabarijohn.
Zo ny Aina




