Vono olona teny ndohatapenaka: roa lahy notanana eny Tsiafahy

Niakatra fampanaovana, notanana am-ponja eny Tsia­fahy, afakomaly, ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny vonoan’ olona teny Andohatapenaka. Nitrangana faty olona teny amin’ny fokontany Andohatapenaka, ny alatsinainy 13 jolay lasa teo. Niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray ny lehilahy miisa telo. Niafara tamin’ny fifamaliana nefa ny fiarahana. Nivadika ho fifampikasihan-tanana. Nitamba­ran’izy roa lahy ny lehilahy iray namany. Namoy ny ainy vokatry ny vono sy daroka nahazo azy ity farany. Nanao tari-dositra ireo roa lahy nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Niroso tamin’ny fikarakarana ilay maty ny fianakaviany. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava sakelika voalohany. Voasambotra teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasanikarana ny iray tamin’ireo roa lahy voasaringotra ta­min’ity vono olona ity, ny 2 septambra lasa teo. Natao famotorana, nitoroka ny namany izy ka tratra teny Ankadikely Ilafy ny faharoa, ny zoma 9 septambra teo. Natolotra ny fampanoavana izy roa lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: