Fahaiza-manao niomerika: nihaona ny METFP sy ny mpitantana ny Gip Pix

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Gip Pix, Benjamin Marteau, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Andriamampandry Todisoa Manampy, tamin’ity herinandro ity, tao Paris, Frantsa.
Nifantoka tamin’ny fahazoana mari-pahaizana niomerika ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampifanarahana amin’ny fenitra, “Cadre de déférence des compétences numériques sy digitale compétence framework” ny dinika tamin’izany. Hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana ihany koa. Tafiditra ao ana­tin’ny dingana vaovao ho fanamafisana ny fahaiza-manao niomerika ananan’ny tanora malagasy izany. Ahitana fahaiza-manao 16, voazara ho sehatra lehibe dimy izany. Ny fampahalalana sy angondrakitra, ny fifandraisana sy fiaraha-miasa, ny famoronana votoaty, fiarovana sy fandriampahalemana ary tontolo iainana niomerika.
Dingana voalohany mankany amin’ny fiaraha-miasa stratejika, hanohanana ny fanovana niomerika eo amin’ny sekoly teknika sy fanofanana arakasa sy hanomanana ny tanora malagasy amin’ny fahaiza-manao takin’ny hoavy ny dinika.

Vonjy

Partager sur: