Naka an-keriny zaza varira: olona dimy niray tendro voasambotra

Tratry ny vela-pandrika na­taon’ny zandary tao Amba­ton­drazaka ireo naka an-keriny zazavavy varira 3 taona tany Vavatenina tamin’ny 5 septembra. Nokasain’ireo mpaka an-keriny hamidy izy. Misy fianakavian’ny renin’ilay zaza tamin’ireo olona dimy tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy. Vehivavy ny telo ary lehilahy ny roa tamin’ireo voasaringotra. Namonjy alim-bavaka ny renin’ilay lasibatra. «Navelan’ny reniny irery tao an-trano io zanany vavy io. Nanao mora ny nidiran’ireo olon-dratsy tao an-trano naka ilay zaza», hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro, omaly. No­tazomin’ny manam-pahefana miasa ao Vavatenina ny re­nim-pianakaviana namantarana ny tena zava-nisy marina momba ity fahaverezan-janany vavy ity. « Ny tomponandraikitry ny fokontany no nampandre ny mpitandro filaminana momba io tranga io », hoy ny fanampim-panazavana.
Nentina nandositra
Voasakan’ny mpitandro filaminana tao Ambatondraza­ka ireo olona nikasa hivarotra ilay zaza. Olona roa hafa niray tsikombakomba tamin’ireo ni­tondra azy voasambotra tao Sahatavy, faritra Analanjirofo. Tafakatra dimy ireo voarohirohy ho niray tendro tamin’ny fakana an-keriny ilay zaza. Misahana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana mi­asa ao Vavatenina izay tanàna fonenan’ny ray aman-drenin’ny zaza lasibatra. Nato­lotra ireto farany ilay zazavavy. Andrasana ny fivoaran’ny fanadihadiana momba ity tranga ity.

Tsiferana R.

Partager sur: