Anisan’ny Malagasy mpandihy, manana ny lazany eto Madagasikara, i Tovonirina Thierry Fabio na i Bboy Fabio. Efa nahazo indroa misesy ny fifanintsanana teto Madagasikara ny lehilahy ary maniry ny hifaninana amin’ireo mpandihy iraisam-pirenena.
Tovolahy 28 taona, efa manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny dihy, indrindra ny Break Dance, i Tovonirina Thierry Fabio. Araka ny fanadihadiana natao taminy, afakomaly, manana vina ny ho lasa lavitra amin’io tontolo io ny tenany. “Manana vina aho, inoako ary hivavahako amin’ny ao ambony fa mbola handray anjara amin’ny fifaninanana Break Dance maneran-tany toy ny Legist Blast, Red Bull BC One, ny tenako, indray andro any”, hoy i Bboy Fabio.
Ny taona 2015, nanomboka nanao Break Dance tao amin’ny Ward Off Crew izy. Ny fahitany hatsaran’ny horonantsary sy ireo rakitsary mampiseho ny dihy Break Dance na manao Breaking no nahatonga azy hisehatra tamin’izany. Notsiahiviny fa tsy nahay izany izy tany am-piandohana raha tsy teo ireo nampianatra azy. Mbola isaorany an’ireo Bboy P.A Ward off Crew sy ny Bboy Hugues Bdihy Crew avy ao Toamasina izany. “Izy ireo no nampianatra sy nizara ny fototra taminay ary ilay finiavana hanohy no nampivoatra ahy”, hoy hatrany izy.
Mikotrana mafy, mifehy tena
Nanome hafatra ho an’ireo mpiangaly ny dihy Break Dance i Bboy Fabio. “Ho an’ny mpanao Breaking, mila mikotrana mafy sy manana fifehezan-tena tsara raha te hanana lenta ambony. Ho an’ny tanora kosa, manasa anareo mba hiditra anatin’ny tontolon’ny breaking fa mahafinaritra ny mahay an’io”, hoy izy
Marihina fa mpikambana ao amin’ny Ward Off Crew sy ny Waram ao Toamasina i Bboy Fabio. Efa indroa voahosotra ho tompondaka tamin’ny fifanintsanana roa nataony teto Madagasikara, tamin’ity taona ity, ny tenany.
Fitia Randria




