Nanasongadina ny “Ambaniala” ny “Hakanto Night” andiany faharoa. Tontosa ny alin’ny zoma teo ity hetsika ity, tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Naneho ny tadidy sy ny endrika manodidina ny Fifohazana i Emilie Andriamahefa, tamin’ny alalan’ireo sanganasany naseho. Notakarina tamin’ireo saripikan’i Pierrot Men, manodidina indrindra ilay fampirantiana “Fofon’Aina”, mmba ny Fifohazana izany. Manana fifandraisana amin’izay ihany koa ny mpamorona, ka tafaraka ny aingampanahin’ny kanto marolafy.
Homena mariboninahitra i Nônô. Noho ny zava-bitany ho an’ny zavakanto malagasy, hararaotina amin’izao fandalovany eto an-tanindrazana izao ny fanomezam-boninahitra azy. Hotontosaina mialoha ny fampisehoana hataony, anio, etsy amin’ny Havoria Anosy izany. Tsiahivina fa ity ny seho faharoa anatin’ny “Tamberina”, taorian’ny tetsy amin’ny CCEsca, ny alahady lasa teo. Fotoana hifanomezan’ireo mpankafy Nônô indray, indrindra ireo tsy nahita ny seho voalohany.
Hanomboka anio ny “Festival Tanora sy ny kolontsaina”, eny Imerinkasinina. Hetsika maimaimpoana ankalamanjana izy ity, hanehoana zavakanto maro karazana toy ny hainahandro, lalao malagasy ary fampisehoana. Hisantatra izany ny Rohinkanto, ivondronan’ireo mpanao tantara an’onjampeo, ny Raozy Gasy mpanao vakodrazana. Rahampitso kosa no hiaka-tsehatra ny tarika Zandry Gasy. Ny alahady ry Kambana Metal, Raouto, Elidiot, Johan Blouts ary Sandy.
Hamerina indray ny SDF ry Silo sy ny namany. Simple Defiance of Fancy na SDF. Tarika nitsangana ny taona 1992, ary efa-taona ihany no nisy… Saingy tsy maty tantearka ao am-pon’ny mpankafy mozika tamin’izany. Mbola eo ry Silo sy ny namany, hitondra an-tsehatra indray ireo hiran’ ny SDF, anio, manomboka amin’ny 8 roa sy sasany, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Tsy hamerina ny lasa fotsiny fa hanamafy ny fitiavana ny mozikan’ny SDF izay efa mitoetra ao am-pon’ny mpankafy ry zareo.




