Hetsika ampiarahana ny zavakanto sy ny fanampiana ny mpiara-belona. Hotontosaina ny sabotsy 10 oktobra ho avy izao ny “Fos’Art” Festival”, andiany voalohany. Hatao eny amin’ny Golf Galaxy – Birdy Antananarivo izany, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Karazan-kanto marolafy no hasongadina mandritra izany, ka anisany ny hainahandro sy ny manodidina azy. Eo koa ny asa tanana maro karazana, hanomezana sehatra ireo mpanao taozavatra manan-talenta. Eo amin’ny lafiny fampisehoana mozika, hanafana ny sehatra lehibe i Shyn sy Denise ary i Bolo, ny tolakandro. Tsy mifarana eo fa hitohy mandra-maraina ny fety, hifandimbiasan’ireo mpikosoka kapila, vahiny sy Malagasy, toa an-dry DJ Sakay, K-za, Juli Anbu, Ludowski le terrible, PI, Ad’I, Lemongo, Deevajay, Harissa Connexion, Tito, sns, arahina fampisehoana kilalaon-jiro efa fanao any ivelany amina hetsika goavana.
Hisy toerana manokana ho an’ny ankizy, izay tena iompanan’ny hetsika, mandritra izany. Natao indrindra hanampiana ireo ankizy sahirana,
na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra mantsy izany. Harotsaka manontolo ho an’ny ONG MealEspoirs ny vola azo mandritra ny “Fos’Art Festival”. Fikambanana miahy ireo ankizy sahirana eto Antananarivo sy ny manodidina ito farany. Miandraikitra toeram-pisakafoana ho an’ny ankizy miisa 800, mitantana toeram-pitsaboana iray ary manana fandaharanasa amin’ny fampianarana ny ONG MealEspoirs. Hanohizana sy hanitarana ireo sehatrasany no antony lehibe nanaovana ny “Fos’Art Festival”, hifototra amin’izay firaisankinan’ny mpiray monina ho an’ny mpiara-monina izay.
Zo ny Aina




