koera – « Mondial 2026 »: hanoman-tena atsy Seychelles

Nampahafantarin’ny Fédé­ration malagasy de Voile, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny fitsanganan’ny ekipam-pirenena malagasy. Nampi­ton­draina ny anarana Koera, na­laina tamin’ny anaram-borona boloky tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izany. Hano­mana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “SSL Gold Cup 2026”ny Koera. Ahitana atleta 10 ka vehivavy ny roa. Avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara izy ireo, toa an’Antsiranana, Boeny, Ambatolampy, Vaki­nan­kara­tra, Atsimo Andre­fana, Fitovi­nany ary Matsiatra Ambony. Efa any Seychelles izy ireo ankehitriny, manoman-tena ao amin’ny toby fanazarantena iray miaraka amin’ny Star Sailors League (SSL). Man­dray an-tanana azy ireo ny manampahaizana mirahalahy, teratany seiseloà sy hollandey. Ilain’ireo Malagasy mpifaninana mantsy ny fizarana sy fahafehezana ireo teknika fototra sy taktika ary ny fandrindrana amin’ny fifanina­nana eny ambony sambo.
Miavaka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny Voile satria tantera­hina mandritra ny taona iray. Misy dingana fifanintsanana mafy isan-karazany tsy main­tsy atrehin’ny mpifaninana isaky ny kaontinanta misy azy avy. Mitovy avokoa ny zavatra atao amin’izany. Tsiahivina fa hotanterahina any Rio de Janeiro, Brésil, ny famara­nana lehibe amin’ity “SSL Gold Cup 2026”, ity.

Tompondaka

Partager sur: