Hisolo tena an’i Madagasikara ny ekipa Karoka mandritra ny Festival iraisam-pirenena momba ny robotika “Robotex”. Hotanterahina any Songdo Convensia, Incheon, Korea Atsimo, ny 20 novambra hatramin’ny 2 desambra ho avy izao, izany.
“Maze Solving” no sokajy hifaninanan’ ny ekipa Karoka. Fifaninanana robot hanivatsiva lalana ahafahana ho tonga amin’ny toerana iray nefa tsy ho very an-dalana, araka ny fanazavan’ny mpitarika ny ekipa, Randriambelo Tendry Ny Avo Nekena Melodie, omaly, teny Ankatso. Mpianara dimy mirahalahy avy amin’ny Ecole de management et d’innovation technologique (Emit) sy ny fakiolten’ny Siansa ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa izy ireo ary samy L3 avokoa. Ny mpikambana roa ao anatin’ny ekipa no efa manana traikefa amin’ny fifaninanana robotika iraisam-pirenena dia i Tendry sy i Tsiravalaza Mahompison Armel, tany Inde sy Bénin. Manampy azy ireo Randrianasolo Ny Aina Fandresena sy Randrianasolo Ny Aina Faneva ary Andriamazaoro Edmino Parson.
Efa misy ny mpanohana
Manao antso tolo-tanana izy ireo amin’ny vola hoenti-manana amin’ny fikarakarana rehetra (saran-dalana, fiantranoana, sakafo…). Efa nisy ny orinasa sy rafitra nanohana toy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, sampandraharahan’ny minisitera maro ao Fianarantsoa, minisiteran’ny Fizahantany nefa mbola lavitr’ezaka vao feno ny sora-bola ilaina. Nanafatra fitaovana hananganana ilay robot izy dimy mirahalahy. Misy ampahany anefa efa vita tamin’ny akora teto an-toerana ihany. Hitady lalana miainga amin’ny toerana iray ho tonga amin’ny toerana iray ilay robot ka hotsaraina ny hafainganam-pandeha sy ny fahaizany mitady ny lalana amin’ireo fiviliana maromaro ao anatiny.
Nisy fisafidianana “en ligne” teto Madagasikara ka ny ekipa Karoka no nosafidian’ny Stem for Good hisolo tena an’i Madagasikara, ho an’ny sokajy “Maze Solving”.
Mila federasionina
Tsy manana federasionina ny taranja robotika eto Madagasikara. Nampianatra tanora maro tao Fianarantsoa ny ekipa hisarihana azy ireo ho liana ka hahazoana manangana federasionina, hanamorana ny dingana rehetra rehefa handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
Vonjy




