Hiaraka haneho ny talentany mandritra ny “Festival Jôkôsô” ireo mpanakanto amin’ny hatsikana sy fampihomehezana efa matihanina sy andrarezina. Fa eo koa ireo tanora vao misondrotra nefa tsy mena-mitaha amin’ny hafa.
Tsy lany olona manan-talenta i Madagasikara. Hatao ny 18 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao, eto Antananarivo sy Toamasina, ny “Festival Jôkôsô”, andiany fahenina. Hetsika atokana manontolo hanehoan’ireo Malagasy mpanao hatsikana. Maro ny hetsika hatao, hatomboka eto Antananarivo ary hofaranana any Toamasina, mandritra ny herinandro, karakarain’ny Betige. Ho azy ireo, anisan’ny mitondra fanovana ny hatsikana. Tsy mionona amin’ny fihomehezana fotsiny fa saha iray mampifandray ny rehetra. Sehatra iray ahafahan’ny tanora miteny, fitaovana hanabeazana ny olom-pirenena, manamafy ny sehatry ny hatsikana haharitra. Samy manana ny talentany sy ny mampiavaka azy ny mpanakanto tsirairay, indrindra ny fahaizany maneho ny famoronana isan-karazany.
Hisantatra ny hetsika eto Antananarivo, etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny 18 septambra amin’ny 8 ora alina, ny fampisehoana «One Man Show» ataon’i Gothlieb. Hisy ny fihaonana amin’i Francis Turbo eny amin’ ny Alliance Française Andavamamba, ny 19 septambra. Etsy amin’ny CGM Analakely ihany koa, ny 19 septambra, amin’ny 3 ora tolakandro, fampisehoana «One Man Show», iarahana amin’i Tsiresy Radilofera. Hifarana ny 20 septambra manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ny hetsika eto Antananarivo. Hanafana ny fotoana i Raytra Belaw’yck, Hery Artist, Dadavy, Ely Nomenjanahary, Lanja Babeine, Finengo, Mamy Ralijaona ary i Joely.
Sehatra ho an’ny tanora
Maro ny mpanohana sy ny mpiara-miombon’antoka ny Festival Jôkôsô. Imasoan’ny Betige manokana ny fanohanana sy fanomezana sehatra ny tanora mpanao hatsikana vao misondrotra. Tsiahivina fa nahatratra 132 ny mpanao hatsikana nandray anjara nandritra ny andiany efatra voalohany, raha niisa 3 769 ny mpijery tonga.
Njaka A.




