Noraisin’ny filoha lefitry ny kaomisionin’ny Vondrona eoropeanina (UE), Kaja Kallas, afakomaly, tao Bruxelles, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Voaresaka ny fiaraha-miasa marolafy, indrindra ny lafiny politika.
«Vonona hanohana sy hanampy amin’ny fifidianana izahay », hoy ity tomponandraikitra ambony eo anivon’ny UE ity. Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany ka nilazany fa anisan’ny andrasana amin’ny fanampiana ny lafiny ara-bola sy ny fahaiza-manao. Notsiahiviny koa ireo tetiandro efa natolotra ny iraky ny SADC sy ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ny volana febroary teo. Anisan’izany ny firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, miainga hatreny anivon’ny fokontany ka hatrany amin’ny sehatra nasionaly. « Mirazotra amin’ireo fanovana goavana sy lalina momba ny fanomanana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana izany», hoy izy.
Hetsiky ny tanora
Etsy andaniny, niray feo ny roa tonta tamin’izao fihaonana izao fa nahasarika ny mason’izao tontolo izao ny hetsika nataon’ny tanora tamin’ny 25 septambra 2025. « Vonona ny UE hanolo-tanana ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara », hoy hatrany i Kaja Kallas.
Voatsiahy tamin’ny fihaonana koa ny fiaraha-miasa ka anisan’izany ny maha mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara eo amin’ny lafiny varotra ny UE. « Mbola voalohany koa amin’ny famatsiam-bola tsy averina ny Vondrona eoropeanina », hoy ny filoham-panjakana. Anisan’ny namatsy vola ireo fanamboaran-dalana izy ireo. Eo ny lalam-pirenena RN6, izay hotokanana ato ho ato.
Ankoatra izany, niantso ireo Eoropeanina mpandraharaha ho avy hampiasa ny volany aty Madagasikara sy hamorona asa ho an’ny tanora ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël.
Synèse R.




