Vovonana iray manohana ny Fanavaozana sy ny Kly Randrianirina Michaël ny “Plateforme Tantana” tarihin-dRakotoniaina Justin. Natsangana mba hanome sehatra ireo mpitarika, manana traikefa isan-karazany, hoenti-mampandroso an’i Madagasikara. Herintaona aty aorian’ny nitolomana, mampivondrona ny ankolafin-kery rehetra ny vovonana. Anisan’izany ny ben’ny Tanàna. Vonona ny hiara-hiasa sy hanamora ny fananganana ny Firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny Fanavaozana na ny FBF izy.
Nisy ny antso avo nataon’ny olom-boafidy, indrindra ny avy amin’ny tsy miankina, manoloana ny zava-misy any ifotony sy ny sedra lalovan’ny kaominina. Nanatona sy nihaona tamin’ny birao sy ny mpandrindra nasionaly ny solontenan’izy ireo, afakomaly, mba hiara-hitady vahaolana iombonana. Nisy ny naneho ny ahiahiny amin’ny tsindry amin’ny lafiny politika. Misy ny nanao fifampizarana momba ny fanelingelenana misy ary mety hisy fiantraikany amin’ny fahafahan’izy ireo eo am-panatanterahana ny asa izany.
Nanasongadina ny filohan’ny vovonana fa tsy tokony ho lasa fitaovana mampisaraka sy mampifandrafy ny olom-boafidy eny ifotony ny kaominina. “Tomponandraikitra amin’ny fampandehanana ny kaominina sy ny vahoaka ny ben’ny Tanàna. Tokony hisitraka ny fahafahany feno mamita ny asany izy ireo, ao anatin’ny fanajana ny lalàna, ny mangarahara ary ny fahaleovantena ara-pitantanana”, hoy hatrany ny vovonana.
Mifanindran-dalana amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, mametraka tsikelikely ny rafitra ny vovonana. Anisan’ny voaray ho tale misahana ny hetsika sy ny asa, Randrianarisoa Riana Raymonde. Izy rahateo no voatendry ho ambasadaoron’ny Vovonana ato amin’ny Faritanin’Antananarivo.
r.r




