Mitohy, saingy tsy mahoraka intsony ny fisian’ny olona very sy matimaty. Saika isan’andro tsy mifidy ora, fa misy ny ranty sy filazana fa tsy hita, hono, Ranona na hoe hita faty, hono, Ranona. Samy mikombom-bava avokoa ny olom-pirenena. Ny ray aman-dreny lasibatra efa tsy handrenesam-peo. Aleony mangina tsy hanaovana fitaovana politika ny zava-manjo azy ireo. Tsy te hierika ny mangidy fanindroany, ankoatra ny voina toa voafendrofendro.
Mila mitandrina, araka izany, ny sarambabem-bahoaka. Tsy misy rahateo ny tatitra ofisialy mivoaka avy amin’ny tomponandraikitra. Mihanona fotsiny amin’ny filazana ataon’olon-tsotra ny olom-pirenena mba hitandremany. Samy miaro sy manavotra ny ainy indray izao no lamaody. “Efa iarahan’ny rehetra miaina rahateo, ankehitriny, fa tsy miafina ny mpangalatra olona fa na eny an-dalambe rehetra eny dia efa mandraoka izay tratrany”, hoy ny facebook.
Tsy handrenesam-peo ilay borigady manokana natsangana etsy Tsaralalàna. Mbola am-perinasa tanteraka raha ny fahafantarana azy, saingy tsy misy tatitra sy fangaraharahana amin’ny vahoaka. Ilaina tanteraka anefa ny tatitra mazava sy ny mifanaraka amin’izany mba hahafahan’ny tsirairay maka ny andraikitra manandrify azy. Rehefa ny manampahefana nomena ny andraikitra no tsy miteny dia very an-javony eny ny fahorian’ny olona.
Marihina fa dia nifarana tamin’ilay raharaha nampihoron-koditra teny Ambohimanga Rova ny vaovao ofisialy. Nangina tanteraka ny raharaha hafa. Ny olom-pirenena tsirairay anefa miandry izay tena marina. Sarotra ny miaina ilay voina kanefa tsy afaka misaona noho ny marina mbola manjavozavo. Very fanahy mbola velona, tsy afa-manoatra ny havana nilaozana. Ny tena zava-doza, ny fanahin’ny maty aza tsy mbola mety mandry am-piadanana.
r.r




