Notokanana ny 18 septambra teo, tany Toliara, ny toeram-piofanana Campus ABC Domino. Foibe hanofanana ireo tanora, ahafahan’izy ireo manohy ny fianarany, aorian’ny bakalorea, sady hifehezan’izy ireo ny teknolojia niomerika. Dingana vaovao ity ataon’ny ABC Domino ity, izay efa nisehatra tamin’ny fanabeazana tato anatin’ny 20 taona. Namatsy vola tamin’ny fananganana ny fotodrafitrasa ny Vondrona Filatex. Manodidina ny 4 000, ankehitriny, ny ankizy tohanan’ny ABC Domino, mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra enina, kolejy telo ary lisea iray any amin’ny toerana lavitra.
Fitaovana niomerika
Mitodika any amin’ny fampiasana ny niomerika ny fikambanana, ankehitriny. Miisa 130 ny fitaovana informatika ao amin’ity toby Campus any Toliara ity. Ampianarina koa ny teny vahiny, miampy ny torolalana ara-pedagojika. Misy ny trano fatoriana ho an’ireo mpianatra avy lavitra sy ambanivohitra. Eo koa, ny toeram-pisakafoana, ny internety, sns. Tanjon’ny vondrona Fikatex amin’ny fanohanana ny tetikasa, ny hananan’ny tanora ho avy mamiratra, afaka mitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara.
Njaka A




