Famonoana an’i Tahiry sy Tiavina : Hasarotam-piaro, olona enina nalefa eny am-ponja

Olona miisa fito no voarohirohy tamin’ny famonoana an’ireo roa lahy (Tahiry sy Tiavina) hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato, ny 15 sy 16 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjy maika izy rehetra ireo, taorian’izay. Nalefa eny amin’ny fonjaben’ Antanimora ny enina, ary nalefa eny Antanimora ny iray ambiny. Olon-tian’izy roa lahy hita faty ny roa tamin’ireo voarohirohy ireo ary anadahin’ireo vehivavy kosa ny roa, izay tena tompon’antoka tamin’ny vono olona. Niaraka tamin’ireo roa lahy hita faty izy ireo ny alin’ny 11 septambra 2026 lasa teo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, disadisa nateraky ny hasarotam-piaro diso tafahoatra no antony namonoana azy roa lahy ireo. Novonoina ary avy eo natsipy tao amin’ny ranon’i Tanjombato.
Nafenina tany Toamasina

Voasambotra tany Toama­sina ireo roa lahy nahavanon-doza sy tompon’antoka tamin’io vono olona io, ny sabotsy 19 septambra 2026, noho ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, sakelika fahatelo (BC3). Nezahin’ny fianakaviany nafenina sy nalefan’izy ireo nitsoaka izy ireo saingy tratra ihany. Niaiky ny helony tamin’ny famonoana an’i Tahiry sy Toavina ireto farany nandritra ny fakana am-bavany izay nataon’ny polisim-pirenena. Marihina fa voarakitra tao anatin’ny horonantsary avy amin’ny fakantsary fanaraha-maso(caméra) izy ireo nifampitarika. Voasambotra avokoa ireo olona niray tsikombakomba sy nanafina azy roa lahy ireo ary izao nalefa eny am-ponja vonjimaika izao mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.

Mino

Partager sur: