Hira evanjelika : Hanolotra « Antsam-piderana » i Rojo Ny Avo

Sabotsy 26 septambra ho avy izao, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hanolotra “Antsam-piderana”, ao amin’ny FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro, ny tarika Rojo Ny Avo amin’ny endriny feno. Samy hovetsoin’i Rojo Ny Avo eny an-toerana avokoa ireo hira nahafantarana azy hatramin’ izay toy ny “Vita sedra”, “Voky fitahiana” miampy ireo tsanganasany vaovao. Anisan’izany ny “Tsy ampahafiriny”, sns.
Rindran-kira hatao ho fanomanana ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandrina Rari­voarisoa Sabine sy ny fiangonana FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro. « Rojo Ny Avo no nofidiana, noho ity mpanakanto ity efa matihanina amin’ny fiangaliana ny hira evenjelika sy ny fananany tononkira sy gadonkira maroloko sahaza ny sokajin-taona rehetra », hoy Ralison Felana, filohan’ny komitin’ny fankalazana.
Nohamafisiny fa « tsy hatao ho ambanin-javatra ny pitsopitsony teknika amin’ny fanatanterahana ity rindrankira ara-pilazantsara ity (fanamafisam-peo, ny haingon-tsehatra, jiro sy ny hazavana) mba hianoka ny kanto ary hanovo hery sy aim-panahy vaovao ireo ho tonga eny an-toerana.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: