Dingana vaovao amin’ny fanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara no notanterahin’ny Fondation Axian, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny fitokanana ny Lycée Alakamisy Fenoarivo.
Ny Lycée etsy Alamakisy fenoarivo, izay notokanana ny faran’ny herinandro teo no lycée faharoa naorin’ny Fondation Axian eto Madagasikara, taorian’ny Lycée Mitsinjo, any amin’ny faritra Boeny. Izy ihany koa no tetikasa ara-panabeazana fahefatra notokanana nandritra ity volana septambra ity.
Mpianatra 146 teo aloha no zakan’ny sekoly ary afaka mandray mpianatra 300 ny fotodrafitrasa ankehitriny. Afaka manohy fianarana ao amin’ny kaominina misy azy ireo tanora amin’izao fotoana, fa tsy voatery hifindra any amin’ny toerana hafa intsony.
Ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Yas, ny Fondation Axian dia namatsy vola ny famitana ny rihana ambony, izay ahitana efitrano fianarana telo, ary ny fanamboarana efitrano iray ho an’ny mpampianatra sy birao fitantanana roa. Ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo kosa, niantsoroka ny famatsiana ny fanaka sy kojakoja ilaina amin’ny sekoly, ahitana latabatra sy dabilio 150, latabatra ho an’ny mpampianatra 6 ary seza 6, ary koa ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa
Talohan’ny nisian’ity Lycée ity, mpianatra an-jatony no voatery nandeha lavitra isan’andro, nakany amin’ny kaominina hafa mba hanohy ny fianarany amin’ny ambaratonga faharoa. Niteraka vesatra ara-bola ho an’ny fianakaviana izany, ary nisy fiantraikany tamin’ny fahatongavan’ny mpianatra an-tsekoly sy ny fitovian’ny fahafahana miditra amin’ny fanabeazana.
Natomboka tamin’ny taona 2015, ny fandaharanasa Sekoly Yas izay tantanan’ny Fondation Axian, efa nahavita nanorina na nanavao sekoly maherin’ny 250 manerana ireo faritra eto Madagasikara. Mpianatra mihoatra ny 61 000 no efa misitraka izany fotodrafitrasa izany.
Tatiana A




