Miroborobo ny fandraharahana madinika sy salantsalany eny amin’ny faritr’Ivato. Notokanana ny 18 septambra teo ny masoivoho faha-30 an’ny banky Sipem eny an-toerana. Tanjona ny hanatonana akaiky kokoa ny mpanjifa sy ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany (PME-PMI). Ahafahana manohana, mamaly haingana ny filan’ny mpanjifa izany.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Sipem Banque, Benoit Sarraute, fa « tsy mionona ho fanitarana ny masoivoho fotsiny ity ety Ivato ity fa fanehoana ny fanatonana akaiky kokoa ny mpanjifa, izay efa ato anaty ranay. Tsy nitsahatra ny niezaka mihaona mivantana any amin’ny toerana misy an’ireo mpandraharaha sy orinasa izahay nandritra izay 35 taona izay. Mitondra vahaolana ara-bola amin’ny antsipiriany, manohana azy ireo. Etsy ankilany, maneho hatrany ny fitokisany aminay ireo mpandraharaha ».
Ahitana ny tolotra eny amin’ny masoivohony rehetra ity eny Ivato ity. Misy ny tranoheva hisintonam-bola (GAB), tsy mifidy andro sy ora. Fanokafana kaonty, tolotra ho an’ny mpandraharaha, fampindramam-bola amin’ny zanabola kely, fifanakalozam-bola any ivelany (RIA) sy Global Transfert. Eo koa ny tohana ho an’ny vehivavy mpandraharaha, sns.
Njaka A.




