Fanovana goavana no hatao amin’ny sehatry ny fambolena. Natolotra ny sabotsy 20 septambra teo, teny amin’ny CFFAMA Antsirabe, ireo fitaovana vaventy hoentina mamokatra amin’ny velarantany midadasika.
Nitarika ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kkolonely Randrianirina Michaël. Nahitana trakitera miisa 28, marika Massey Ferguson, miaraka amin’ny kojakoja famokarana toy ny « charrue pulverisateur, rotavator, semoir ary remorque » ireo fitaovana. Hiasa avy hatrany any amin’ny Faritra Melaky, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Anosy ny 11 amin’ireo trakitera ireo amin’izao taom-pambolena 2026-2027 izao. Tombanana ho 11 880 ha isan-taona no ho voaasa sy voavoly.
Ankoatra izany, miisa 216 ny tantsaha ao amin’ny distrikan’Antsirabe I nisitraka tohana ara-pamokarana. Nahitana zezika organika 4 taonina, NPK 51 taonina, masomboly vary X265 milanja 320 kg, masomboly katsaka Irat 200, milanja 220 kg ary labasy 60 isa izany.
Nisy koa ny bisikileta miisa 200 hampisain’ireo tantsaha mpanentana sy mpampiofana.
Nambaran’ny filoha fa « tsy mora ny mitondra an’ity Madagasikara ity fa ezahintsika mpitondra amin’ity Fanavaozana ity, isan’andro, ny mihaino ny vahoaka ».
Nanao antso manokana ho an’ny lehiben’ny Faritra sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana ny Filohan’ny Fanavaozana hijery haingana ny fomba hanamboarana ny lalan-dratsy sy ny lavadakavaka amin’ireo lalana ao Antsirabe. Ny lalana kaominaly no tiany resahina fa tsy ny lalam-pirenena.
Fikaonandoham-pirenena
Nasiany teny koa ny tsy maintsy hanaovana laharam-pahamehana ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fanomanana ny fifidianana. Efa misy ny fandaharam-potoana sy ny dinika samihafa nanasana ny hery velona rehetra. Nanolotra vola 30 tapitrisa ho an’ny vahoaka nanotrona azy ny kolonely Randrianirina Michaël.
Njaka A. sy Mi-Raz




