Fifanintsanana Can 2027: Nantsoina hiaro ny haraton’ny Barea i Sonny Laiton

Namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny mpanazatra ny Barea, Corentin Martins, raha ny vaovao, omaly. Nantsoina hanolo ny toeran’i Zacharie Boucher i Sonny Laiton.

«Tafaverina ihany !». Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, nantsoina hanampy isa ireo mpiandry haraton’ny Barean’i Madagasikara i Arotiana Sonny Laiton, Mala­gasy milaravinahitra ao amin’ny ekipan’ny Racing Union Lëtzebuerg Luxembourg, diviziona voalohany. Marihina fa efa nohirahirain’ireo mpankafy maro tao anaty tambajotran-tserasera ny hiverenany ao anaty ekipa nasionaly, taorian’ny nanesorana an’i Zacharie Boucher.
Raha ny fikarohana natao, niatrika lalao feno tamin’ireo fihaonana valo vitany i Sonny ary nisy fifanandrinana telo tamin’io. Tsy nidirana baolina mihitsy ity Malagasy mpiandry tsatoby ity nandritra izany. Tsiahivina fa ny volana marsa 2024 no nantsoina handrafitra ny Barea, voalohany, ny lehilahy ary ny marsa 2025 no nahitana azy farany tao anaty ekipam-pirenena.
Araka izany, feno 25 ihany ny mpilalao nantsoin’i Co­rentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny fifanintsanana Can 2027. Misy mpilalao telo avy eto an-toerana, toa an-dry Bono sy Rado Be, vodilaharan’ny Disciples FC Vakinankaratra sy i Tony, avy ao amin’ny klioban’ny Elgeco Plus Analamanga.
Ampahafantarina fa hihaona amin’i Nigeria i Mada­gasikara, ny 25 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ ny Godswill Akpabio Inter­national Stadium, atsy Uyo Nigeria. Faharoa, hidona amin’ny ekipa nasionaly tanzanianina, atsy Maroc, izy ireo. Raha ny fantatra, nanainga omaly, hihazo ny fampivondronana any Nigeria, ny Barea.

Fitia Randria

Partager sur: