Echecs – Olympiade 2026: Nahazo fandresena 3 ny ekipa lahy sy vavy miaraka

Mbola mitohy any Sa­marcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa vita, nahazo fandresena 3 i Madagasikara. Raha tsiahivina ny lalana nodiavin’izy ireo, nandresy an’i Laos, tamin’ny seta 4 no ho 0, nandritra ny «round 1». Mbola nitohy izany fahombiazana izany satria nanilika an’i Portugal, anisan’ny “favori”, teo amin’ny “round 2”. Fan­dresena 3 ho an’ny Malagasy raha 1 kosa ny an-dry zareo portioge. Lavon’i Roumanie indray i Madagasikara teo amin’ny “round 3” ary mbola niondrika teo anatrehin’i Es­tonie, nandritra ny “round 4”. Nanarina ny fahavoazany ny Malagasy mpilalao teo amin’ny “round 5”, ny alahady lasa teo, ka nanilika an’i Mau­ri­tanie.
Eo ho eo kosa ny vokatra ho an’ny sokajy vehivavy, izay nandresy indroa ary resy intelo nandritra ny “round 5” efa tontosa. Resin’i Serbie sy Luxembourg ary i Ouzbekis­tan, mpampiantrano izy ireo. Nandavo an’i Curacao sy i Soudan kosa avy eo. Na eo aza ireo vokatra ireo, mbola ao anatin’ny hazakazaka tsara ireo mpilalao.

Tompondaka

Partager sur: