Tsipy kanetibe : Nisongadina i Mbolanamana sy i Lam

Tontosa teny amin’ny kianja Ankatso, ny sabotsy lasa teo, ny “Grand Open” taranja Tsipy kanetibe nokarakarain’ny ligy Analamanga. Nanohana ny lalao ary nanolotra ny amboara sy ny fanomezana rehetra tamin’ity, i Kawindre Tsakou, teratany karana. Nisongadina teo amin’ny veterans, i Lam sy i Mbola­namana izay nandresy an’i Hery sy i Palin teo amin’ny famaranana. Lasan’izy ireo, araka izany, ny lelavola 600 000 Ar sy ny amboara raha 300 000 Ar ny an’ny faharoa. Ho an’ny vehivavy, nahazo ny 600 000 Ar ihany koa i Muriel sy i Tatie izay nahalavo an’i Fenitra sy i Marinah.
Nahatratra 111 ny isan’ny sokajy “senior” nandray anjara tamin’ity, raha 36 ny teo amin’ny “veterans” ary 28 ny vehivavy. Nambaran’Andriantsiferana Ravaka, filohan’ny ligin’Anala­manga fa ity hetsika ity dia ho fisaorana ireo mpilalao rehetra tamin’ny fanohanana azy sy fanomezana toky amin’ny hitantanany ity rafitra miahy ny tsipy kanetibe eto Analamanga ity. Nilaza kosa i Kawindre Tsakou fa antony nanohanany dia
ao anatin’ny rany ny fitiavana ny taranja ary ny Rainy sy ny havany mpilalao avokoa.

Tompondaka

Partager sur: