Polisy 30 mianadahy no nanome ra tetsy amin’ny CHRR Bongolava, omaly nanomboka tamin’ny 8 ora maraina. Izay notarihan’ny Talem-paritra sy ny Lehiben’ny Kaomisaria, ny ankoatra ireo kosa nanohy ny asa andavanandro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny polisim-pirenena malagasy izany hetsika izany. Mbola maro ny hetsika karakarain’izy ireo.
Notazomina am-ponja vonjimaika ireo olona roa voasambotry ny polisim-pirenena nandritra ny hetsika Mahomby, tany Fianarantsoa, ny 09 Septambra 2026 teo. Nahazo fampahafantarana momba ny fisian’ny olona ahiahiana ho mpamaky trano mihaodihaody teny Antarandolo ny polisin’ny UIR. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany izy ireo nanao ny fanaraha-maso ka voasambotra ilay olona nampiahiahy. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy izy ary nosokafana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
Nanatanteraka fanentanana makasika ny fiparitahana sy ny fampiasana zava-mahadomelina ireo Polisy avy amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina (STUP), ny harivan’ny 20 Septambra 2026, teny amin’ny Fokontany Andohanimandroseza. Nitohy teny amin’ny Fokontany Ampohipo ny hetsika, ny harivan’io andro io. Maro be ireo fokonolona nandray anjara tamin’ny fanentanana. Notanterahina teny amin’ny Fokontany Alasora/ Ambodivondava ny fanentanana, omaly.




