Vovonana Alalana : Hanamora ny fahazoan-dalana hanondrana

Hampiasaina hanatsarana ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanondram-bokatra ny vovonana Alalana. Natombo­ka omaly, tetsy Mahamasina, ny fiofanana momba ity sehatra ity. Natokana ho an’ireo talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) manerana ny Nosy, iarahana amin’ny PA Zlecaf izany. Manan-karena vokatra fanondrana i Madaga­sikara. Antony mahatonga ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) mampiofana ireo talem-paritra mba ha­nafainganana sy hampangarahara ny fikirakirana ny an­tontan-taratasin’ireo mpandraharaha mangataka fahazoan-dalana hanondrana. Tanjona ny hanohanana ny fidiran’ny Malagasy mpandraharaha amin’ny tsena ara-barotra sy hanamorana ny fifanakalozana. “Mpiara-miasa hatry ny ela ny PA Zlecaf sy ny minisitera ka ahafahan’ny Malagasy mpandraharaha manondram-bokatra tsy misy haba, tsy misy fetra, ao amin’ny tsena afrikanina”, hoy ny minisitra Andriamadison Haingotiana, omaly. Maro ny tombony amin’ny fidirana ao amin’ny tsena Atsinanan’i Afrika. Midada­sika izany satria mahatratra hatrany amin’ny 1,4 miliara ny mpanjifa, manampy amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny lamba, ny jono ary ny fambolena. Antoka ihany koa io ho an’ny fampandrosoana ny fizahantany eto amintsika. Manampy izany ny fampahafantarana ny Nosy any ivelany. Ankilany, mahatratra 3 000 miliara dolara ny harinkarena aty amin’ny Kaontinanta, mivondrona ao amin’ny Zlecaf avokoa ny ankamaroan’ireo firenana 54 aty Afrika. Vina ny hampiakarana hatrany amin’ny 52% ny taham-pifanakalozana ara-barotra eo amin’ny samy firenena afrikanina amin’ny taona 2035.

Henintsoa

Partager sur: