Sehatry ny Cacao : Mitarika ny ICCO i Madagasikara

Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Voafidy hitarika ny Filankevitry ny Organi­sa­tion internationale du cacao (ICCO) ho an’ny taom-pamoka­rana 2026-2027, i Philippe Fontayne. Voafidy nandritra ny fivoriana faha-114 ny ICCO, tany Abidjan, ny herinandron’ny 14 septambra teo, ity filoha lefitry ny Conseil national du cacao ity. Fifidianana mifanandrify amin’ny nidiran’i Mada­ga­sikara tao anatin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena vaovao momba ny Cacao. Eo amin’ny fitarihana ny ICCO, vina apetrak’i Madagasikara hampiakarina ny feon’ireo mpamokatra, indrindra momba ny vidiny, ny fanatsarana ny toeram-pambolena, ny hijerena ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fanondranana ny vokatra.
Tsiahivina fa manodidina ny 15 000 taonina isan-taona i Madagasikara ny Cacao aondrantsika any ivelany. Ankoatra izany, voamarina ho vokatra tsara kalitao sy manana hanitra miavaka ny Cacao malagasy, ka anisan’ny laharam-pahamehana ny fanamafisana ny famokarana, ny fanodinana ary ny fampitomboana ny sandam-bokatra.

Henintsoa

Partager sur: