Navoaka sy notolorana mari-pankasitrahana tetsy Andraharo, omaly, ireo 65 mianadahy nanaraka fiofanana mahakasika ny tontolon’ny zaitra sy ny informatika teo anivon’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nampitondraina ny andiany « Fanilo » ireto tanora ireto.
Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy amin’ny foibe Yas Andraharo ireo 65 mianadahy nahavita fiofanana momba ny tontolon’ny zaitra sy mahakasika ny informatika, teo anivon’ny toeram-piofanana tantanin’nyWMG. Nampitondraina ny anarana «Fanilo» ity andiany nivoaka ity. Nanaraka fiofanana nandritra ny telo volana, teny Ambatoroka sy Andakana, ireo mpiofana. «35 nivoaka tamin’ny fiofanana mahakasika ny zaitra, 30 kosa tamin’ny tontolon’ny digital», hoy i Tsiranana Fiona, filohan’ny fikambanana. Nahazo naoty tsara avokoa ny 15 tamin’ireo mpianatra. Ankoatra ny mari-pankasitrahana, nahazo tolotra miavaka avy amin’ny fikambanana izy ireo.
«Maro tamin’ireo ankizy sy tanora no nahazo mention Assez bien sy Bien tamin’ity andiany ity satria nianatra tsara sy tena nazoto», hoy ihany izy. Hatramin’izay, manodidina ny 25 eo ny ankizy tonga manaraka fiofanana, fa tamin’ity efa nihabetsaka izany.
Hampahaleo tena ny vehivavy
«Amin’izao fotoana, tianay hanana ny zony ny vehivavy, zava-dehibe ny hananan’izy ireo fahaleovantena, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa, antony nahatonga anay nanokatra ity toeram-piofanana ity», hoy ny filohan’ny fikambanana Wednesday Morning Group. Nohamafisiny fa aorian’ny fiofanana omena, anjaran’ny ankizy ny mitady ny mahasoa azy ireo. Misy ny manokatra orinasa ho azy manokana, misy ny mitady asa sy ny maro hafa. Tsy vitan’ny fahaizana manjaitra ihany ny fampizakan-tenan’ny vehivavy fa ilaina ihany koa ny fahaizana informatika ka nampivelarana ny sehatra. Marihina fa efa roa izao ny toeram-piofanana nosokafan’ny fikambanana hatramin’izao. Efa hisy koa ny fanokafana toerana fanintelony atsy ho atsy, raha ny fanazavana voaray.
Mino




