Fahafatesan’i Jean Jacques Rabenirina : « Olona no namono azy », hoy ny fianakaviana

Maty nisy namono ny ha­vanay. Misy lavaka ny lohany, tapaka ny tanany sy ny tongony toy ny novonoina fa tsy potipotika toy ny olona voahi­tsaky ny kamiao izany mihitsy ny razana, hoy ny fianakavian’ny solombavambahoaka Jean jacques Rabenirina, ny sabotsy teo, tetsy Anosy.
Herintaona katroka ny na­hafatesan’ity solombavambahoakan’i Madagasikara ity. Na­hatsiaro izany ny fianakaviana notarihin-dRamamonjisoa Virapin, ka nanao ny tsiahy ary nanaitra ny fanjakana amin’ny alalan’ny fitsarana ny ivoahan’ny tena marina.
Olona no namono ny havanay fa tsy voahitsaky ny kamiao, araka ny ezahina voizina ka aoka hiseho ny tena marina, hoy hatrany ireo fianakaviana.
Mampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny fianakaviana satria maro ny ahiahy mipetraka. Tsy nety nipoitra teny amin’ny fitsarana mihitsy ireo mpiambina ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina raha tsy fiantsoana fanintelony ny 9 jona 2026. Izy ireo anefa no tokony manana ny porofo sy nanatri-maso ny zava-nisy ary nanatitra azy teny amin’ny hopitaly.
Raha tamin’ny 11 ora alina no voalaza fa nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, tsy nampahafantarina ny fianakaviana raha tsy tamin’ny 6 ora maraina. Finday efa foana tsy nisy na inona na inona intsony koa no naverina tamin’ny fianakaviana ka tsy nahafahana nahita ny marina intsony.

Mino

Partager sur: