Mampahafantatra ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fanavaozana ny fandaharam-pibeazana na ny PE ny fanjakana. Mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana hifanaraka amin’ny fianarana sy ny kalitaon’ny fiarahamonina sy ny tontolon’ny asa…
Mitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena mahakasika ny fanatsarana lehibe entin’ny fandaharam-pibeazana izay mihatra manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity. Natao hifanaraka amin’ny fenitra sy fomba fanao eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny fandaharam-pibeazana ka manome lanja bebe kokoa ny fandraisana anjaran’ny mpianatra sy ny fampivelarana ny fahaizany izany.
Ny Fov na fanabeazana olom-pirenena vanona ho an’ny kilasy T1 hatramin’ny T9, hanamafy ny fifantohana amin’ireo soatoavina fototra toy ny fitiavan-tanindrazana, fanajana ny maha olona sy ny fifandraisana amin’ny hafa, ny fanajana ny zo sy ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra.
Ny «Education à la citoyenneté» ho an’ny kilasy T10 sy T11 izay mifantoka amin’ny maha olom-pirenena, fiainana ara-politika, zo ary adidy sy andraikitra.
Nampidirina manomboka ny kilasy T4 hatramin’ ny T12 koa ny teny anglisy mba hampivelarana ny fahaizan’ny mpianatra mifandray amin’ny hafa sy hisokatra bebe kokoa amin’ny tontolo iraisam-pirenena.
Mahakasika ny fampidirana sy fanamafisana ny taranja vaovao kosa, mivoatra ny siansa sy ny teknolojia ary ny fiarahamonina. Mivoatra manaraka izany koa ny fianarana. Ny «Technologie d’information et de la communication en éducation» izay hanampy ny mpianatra hahafehy sy hampiasa araka ny tokony ho izy ny teknolojia sy ny fitaovana niomerika.
Hanampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny zava-misy ara-toekarena sy ara-tsosialy sy hampivelatra ny fahaizany mamakafaka ny fiovan’ny fiarahamonina ny Science économique et sociale.
Tatiana A





